1 Corinthians 5

1Izahay dia nahare tatitra fa misy fijangajangana eo aminareo, karazana fitondran-tena tsy mendrika izay tsy azo atao akory eo amin’ireo Jentilisa. Ny tatitra dia hoe misy iray aminareo miara-matory amin’ny vadin-drainy. 2Ianareo dia tena miavonavona! Fa tsy tokony alahelo ve ianareo? Ny iray izay nanao izany dia tsy maintsy alàna eto aminareo.

3Fa na dia tsy eo ara-batana aza aho fa mbola eo ara-panahy, dia efa nitsara ilay iray izay nanao izany sahady, toy ny hoe teo aho. 4Rehefa miara-mivory amin’ny anaran’i Jesosy Tompontsika ianareo, ary ny fanahiko dia eo koa amin’ny herin’i Jesosy Tompontsika, dia efa nitsara io olona io sahady aho. 5Nataoko izany mba hanolorana izany lehilahy izany ho an’ny Satana ho famotehana ny nofo, mba ho voavonjy ny fanahiny amin’ny andron’ny Tompo.

6Tsy tsara ny fireharehanareo! Tsy fantatrareo ve fa ny lalivay kely dia manova ny mofo manontolo? 7Diovy ny tenanareo amin’ny lalivay taloha mba ho tonga mofo vaovao ianareo, ka mba ho tonga mofo tsy misy lalivay. Fa Kristy, ilay Zanak’ondrintsika tamin’ny Paska, dia natao sorona. 8Noho izany dia aoka isika hankalaza ny firavoravoana, tsy amin’ny lalivay taloha, ilay lalivain’ny fitondran-tena ratsy sy faharatsiana. Fa kosa, aoka isika hankalaza amin’ny mofo tsy misy lalivain’ny fahadiovam-po sy fahamarinana.

9Izaho dia nanoratra ho anareo tao amin’ny taratasiko mba tsy hiarahanareo miasa amin’ireo olona mpijangajanga. 10Kanefa ny tiako ambara dia tsy ny olona mpijanganjaga rehetra eto amin’izao tontolo izao, na ireo tsy mahonon-tena, na ireo mpisoloky, na ireo mpanompo sampy, satria mba hialana amin’izy ireo dia mila miala amin’izao tontolo izao ianareo.

11Nefa ankehitriny aho manoratra ho anareo mba tsy hiara-hiasa miaraka amin’iza na iza izay antsoina hoe rahalahy nefa miaina ao anatin’ny fijangajangana, na izay tsy mahonon-tena, na mpanompo sampy, na mpiteny ratsy, na mpimamo, na mpisoloky. Aza mihinana sakafo miaraka amin’ny olona toy izany akory. 12Fa ahoana no idirako amin’ny fitsarana ireo izay any ivelan’ny fiangonana? Mifanohitra amin’izany, ianareo ve tsy tokony hitsara ireo izay ao anatin’ny fiangonana? Fa Andriamanitra dia mitsara ireo izay any ivelany. ‘’Esory eo aminareo ny olon-dratsy.‘’

13

Copyright information for PltULB